TSELATRA

Zazakely vao teraka indray no nisy nanary teny an-dalana omaly, tany Ambohinaorina Ankady. Nape­trak’ireo tsy mataho-tody tao anaty gony, teo akaikin’ny Tamboho Gasy iray izy io. Mpivady sendra nandalo no nahita ilay gony sy naheno feon-jaza nitomany tao ka nanokatra ilay gony. Zaza vao
teraka, mbola tsy niala ny tadim-poitra, mihoson-drà sy maloto no hita tao. Noentina namonjy dokotera izy mba hahazo fitsaboana maika.
Nitokona indray ireo mpianatry ny ENS Ampefiloha omaly. Nidina andalam-be sy nilanja sora-baventy izy ireo. Nihitsoka tanteraka ny fifamoivoizana ary nidina an-tsehatra nandrava sy nan­damina izany ny mpitandro filaminana. Nitaky ny
vatsim-pianarana mbola tsy voaloa sy ny fanamboarana ny trano hialofany ny anton’ny fitokonana nataon’ izy ireo. Manome 24 ora ho an’ny tomponandraikitra izy ireo mba hikaroham-bahaolana.

Partager sur: