Antenimierampirenena : “Aoka ny governemanta hanatsara ny sosialim-bahoaka”

“Miantso ny governemanta izahay hanohy ny ezaka ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka sy hanamafy ny ady amin’ny kolikoly izay napetraka ho laharam-pahamehana”. Io no namaranan’ny filoha Randrianasoloniaiko Siteny, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampire­nena, teny Tsimbazaza, oma­ly. Nantsoiny ny hery velona rehetra handray anjara amin’ny dinika nasionaly hahazoana mametraka miaraka ny lalàmpanorenana sy ny didy aman-dalàna ary ny hisafidianana ny lanim-bahoaka hitondra ny tany sy ny fanjakana.
Amin’ny maha mpanara-maso ny Antenimierampire­nena, maro ireo minisitra nan­tsoina sy nohadihadiana lalina. Nilofo sy niaina ny fanavaozana ny Antenimierampi­renena. Malalaka ny depiote naneho hevitra, miasa malalaka fa tsy misy teritery na baiko midina intsony, indrindra amin’ ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna. Hajaina ny demokrasia, ka hatramin’ny mpanohitra tarihin’ny lehibeny no nitondra fanakianana mamaivay. Maromaro ny fanadihadiana parlemantera handeha momba ireo toe-javatra manahirana eto amin’ny firenena.
Hita taratra amin’ny tetibola 2026 ny fanomanana fifidianana amin’ny taona ho avy. Midika izany fa tsy manana eritreritra hametraka maharitra ny firenena ao anatin’ny Tetezamita ny fitondrana. Natao hitsinjovana hatrany ny hahasoa ny vahoaka sy ny tombontsoam-pirenena izay rehetra nodinihina sy nolaniana. Mbola be ny asa miandry ka ilaina ny fivoriana tsy ara-potoana amin’ny janoary handinihana ny fahazoana manatanteraka ny fanavaozana ny lisi-pifidianana hiatrehana ireo fifidianana ho avy.

R. Nd.

Partager sur: