Notafihan’ny jiolahy telo nitam-piadiana ny tokantrano iray tao Avaratsena, Tsiroanomadidy, ny marain’ny zoma teo, tamin’ny 1 ora. Lasa ny vola sy ny entana sarobidy.
Nambanan’ny mpanao ratsy tamin’ny lefona ilay rangahy ary nambanana antsy sy basy ny vadiny, tao amin’ny tokantrano iray ao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Tsiroanomandidy, ny zoma 19 desambra tamin’ny 1 ora maraina. Niditra an-keriny tao amin’ireo mpivady mpivarotra ireo olon-dratsy. “Nitondra fitaovam-piadiana avokoa ireo jiolahy ireo”, hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana lasibatra. Nitaky avy hatrany ny vola ireo jiolahy ka nambanany tamin’ny lefona avy aoriana ny vadiko, hoy ny fijoroana vavolombelona nataony. Nanome ny vola tamin’ny poketra ilay renim-pianakaviana noho ny tahotry ny ain’izy mianakavy. Tsy nanaiky anefa ireo olon-dratsy. Nanery ny hanomezana vola an-tapitrisa ireo telo lahy tafiditra tao an-trano ireo. Tetsy ankilany, nilaza ilay renim-pianakaviana fa tsy misy vola ankoatra ilay efa nomeny tao amin’ izy ireo. “Nisavasava eran’ny trano ny iray tamin’ireo mpandroba ka hitany ny poketra nisy vola versement vao nalaina”, raha ny nambaran’ilay ramatoa. Nisitrika ny zanak’izy mivady satria natahotra an’ireo mpandroba.
Entana sarobidy
Tsy nionona tamin’ny vola azony, nalain’ireo jiolahy avokoa ny entana sarobidy rehetra tao amin’io tokantrano io. Mpivarotra entana ilaina amin’ ny andavanandro (PPN) raha teo ireo lasibatra. “Nalain’izy ireo avokoa ny fahitalavitra, telefaonina roa sy ny firavaka volafotsy rehetra niampy ny karapanondro miisa roa”, araka ny fanazavana voaray. Nirohotra nivoaka ny trano ka nanao tari-dositra ireo jiolahy vantany nahazo ny vola sy ny entana. Niantso ny manam-pahefana ny tompon-trano voakasika. Nihatrana tao an-toerana ny polisy. Miroso amin’ny fanadihadiana momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Tsiferana R.




