FANTINA sy FINTINA

Mila omena lanja ny vehivavy ao anatin’izao fitondrana fanavaozana izao, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo, nanao atrikasa teto Antananarivo, omaly. Nohitsin’izy ireo fa maro ny fanilikilihana nihatra tamin’ny vehivavy mpanao politika nandritra ny fitondrana teo aloha. Nojerena tamin’izany ny anjara toeran’izy ireo, manomboka eny amin’ny fokontany.

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, fa tsy fahalemena ny mifampihaino. « Fahendrena izany. Azo raisina avokoa ireo hevitra tsara avy amin’ny rehetra, ary tokony homena lanja ny feon’ny olom-pirenena eny ifotony », hoy izy, tao amin’ny pejy facebook, omaly.

Notakin’ireo mpanolotsain’ny Tanàna avy amin’ny Tim, eto Antananarivo Renivohitra ny hamoahana anatin’ny fotoana fohy ny valin’ny fitsarana momba ny fifidianana teto an-dRenivohitra. Efa any amin’ny filankevi-panjakana izany amin’izao fotoana izao. Voaresaka koa ny momba ny trosan’ny Cnaps eo anivon’ny SMGD.

Partager sur: