Nitohy omaly ny fitsidihan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny any atsimon’ny Nosy. Nitondra fanazavana momba ny fiainam-pirenena ny tenany.
“Firenena efa potika an-taonany maro no harenina. Tsy ho vitantsika ao anatin’ny andro vitsy anefa izany fa ilaina ny faharetana sy ny fahatokisana anay, ahavitantsika manarina ity firenentsika ity», hoy izy. Nitsidika ny tsenan’Ankorandava ao Taolagnaro ny tenany sy ireo delegasionina notarihiny.
Anisan’ny anton-diany tany an-toerana ny fitokanana ny foibe fiofanana momba ny fiompiana trondro (Afafi-Sud). Maoderina izany fotodrafitrasa izany. Ahitana efitrano fiofanana, laboratoara fampitobiana zana-trondro, dobo fiompiana trondro miisa valo ho fampianarana. Eo koa ny herinaratra avy amin’ny masoandro ary ny tambajotra famatsian-drano feno. Manana tetibola 31,5 tapitrisa euros ny tetikasa Afafi-Sud ary manohana tantsaha miisa 250 000 any amin’ny faritra Androy, Anôsy ary ny any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ny tanjony ny fametrahana ny jono sy ny fiompiana trondro ho ivon’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eny ifotony.
Nitohy amin’ny fanolorana ireo fitaovana an-dranomasina sy an-tanety ho an’ireo fikambanan’ny mpanjono any amin’ny faritra Anôsy izany. Nanolotra fiara 4×4 miisa telo sy moto miisa 76 ho an’ireo CSB ao Ambovombe Androy ny delegasionina, omaly. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana sy fanakaikezana ny vahoaka izany. Teo koa ny fanomezana avy amin’ny Sinoa ho an’
ireo tokantrano ho an’ireo tokantrano miisa 1000 any an-toerana.
Fanomezana asa ho an’ny tanora eny ambanivohitra
Etsy andaniny, natao hanome fahafahana ho an’ny tanora ambanivohitra hahazo asa na asa tena, ary hiantoka ny fisian’ny zana-trondro ho an’ireo mpamokatra eo an-toerana koa ity tetikasa ity.
Anisan’ny notsidihin’ny delegasionina notarihin’ny filoham-panjakana koa ny tany Amboasary Atsimo, faritra Anôsy. Nitohy tamin’ny fanolorana fanampiana ho an’ireo vahoaka any an-toerana izany, amin’ny alalan’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie. Nanamafy hatrany ny filoha fa hiezaka hanampy ny vahoaka any amin’iny faritra iny mba hampisy ny asa fivelomana maharitra.
Synèse R.




