Madagasikara Organica: Fambolena biolojika manatsara ny nofon-tany

Orinasa iraisam-pirenena anisan’ny nisantatra sy nampiasa ny teknolojiam-pambolena biolojika ny World Or­ganic Group. Teknika mana­tsara ny halonaky ny nofon-tany, tsy mampiasa zezika simika izay miantraika amin’ny tontolo iainana. Mihena ny fahalotoan’ny nofon-tany sy ny sosona mitahiry rano any ambanin’ny tany (nappes phréatiques). Izay no antony nananganan’ny World Orga­nic Group ny orinasa Mada­gasikara Organica Sarlu, ny taona 2025, eto amintsika.
Niainga avy any amin’ny Repoblikan’i Armenia ny teknolojia biolojika. Nampiasaina tamin’ny fambolena kafe, voankazo manga, voatabia, kaokômbra tany Vietnam. Ny fambolena hasy, voaloboka, voatabia tany Ouzbékistan. Ny fambolena katsaka, garana, ovy, voatabia, tsaramaso tany Armenia. Nampiasain’ny orinasa iray any Aostralia ny fanovana ny tain’akoho ho zezika organika mahomby. Nentina nanamaitsoana tontolo ngazana sy ny fambolena amina velaran-tany midadasika any Etazonia.

Tsara vidy
Firehan-kevitry ny orinasa, ny «rehefa miaraka amin’ny voahary, azo antoka ny ampi­tso». Nambaran’ny talen’ny Fampandrosoana, Arkady Avetisyan, fa «nosafidiana manokana i Madagasikara, satria azo hampiroboroboana tsara eto ny famatsiana vokatra biolojika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mihoatra lavitra amin’ny vidim-bokatra tsotra mahazatra ny vidiny. Tombony eto Madagasikara ny fanondranana cacao sy kafe». Miara-miasa ny Mada­gasikara Organica sy ny orinasa Avi School, amin’ny fanofanana ny mpianatra, sady hanao fikarohana.

Njaka A.

Partager sur: