Mahajanga: Tovolahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono nataon’ny fokonolona azy, ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Ambon­drona, kaominina Mahajanga, omaly maraina. Nanampatra ny hatezerany tamin’io lasibatra io avokoa ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy nanatri-maso ny tranga tao an-toerana. Voalaza fa nangalatra io olona voasambotra io. Tezitra vokatry ny fanjakan’ny tsy fandriampahelamana anefa ny fokonolona. Nitarika tamin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka izany. Ankoatra izay, lehilahy iray mpitondra Tuc-Tuc, nodarodarohan’ny fokonolona ka naratra mafy tao Toamasina, afakomaly alina. Nanao hadisoana teny anivon’ny arabe ity mpamily ity, araka ny angom-baovao. Voa mafy vokatry ny vono na­hazo azy izy. Marihina fa voararan’ny lalàna ary ahazoana sazy enjana ny fanamparana ny fitsaram-bahoaka eto Mada­gasikara. Ny mpitandro filaminana irery ihany tomponandraikitra amin’ny fisamborana sy manao famotorana ireo ahina ho mpanao ratsy ary mitondra azy ireny eny anivon’ny fampanoavana mba hotsaraina.

Tsiferana R.

Partager sur: