Minisitra Vololoniaina L. : Mihazakazaka ny fivoaran’ny fizahantany

Nazava ny tenin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Ramatoa Vololoniaina Lucie, nandritra ny Fakan-kevitra nasionaly ho an’ny fizahantany, natao ny 18 sy 19 desambra teo. «Mila hifantohana ny ho endriky ny fizahantany maharitra sy mampiaty, ho an’ny rehetra. Satria haingana be ny fivoarana, mafy ny fifaninanana. Tsy maintsy fantarina ny filan’ny mpizahatany, ny an’ny mpandraharaha sy ireo mpisehatra rehetra, mba ho tena hitondra fampandrosoana», hoy izy.
Tanjona ny hananganana vina iombonan’ny rehetra, mahatonga izao fakan-kevitra izao. Tsiahivina fa efa vita ny fakan-kevitra rezionaly, nitohy tamin’ity nasionaly ity, ary hoentina any amin’ny Fikaonandoham-pirenena. Efa vita koa ny fakan-kevitra ho an’ny asa tanana. «Anisan’ny filamatra ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, satria zava-dehibe ny nahavitan’ireo tao anatin’izay roa volana nitantanako ny minisitera izay», hoy ny minisitra. Tetikasa fohy ezaka natao koa ny fanarenan-dalana mirefy 17 km, ahitana toerana tena ratsy miisa 54, mampitohy an’Andasibe sy Mantadia. Ilaina izany, tena handehanan’ny mpizahatany ity lalana ity.

Njaka A.

Partager sur: