Hotanterahina eto Antananarivo ny 04-06 febroary ny « mission économique », hetsika karakarain’ny antenimieran’ny varotra sy indostria Tonizia-Madagasikara (CCTM). Tetezana hampifandray ireo mpandraharaha tonizianina sy Malagasy ity hetsika ara-toekarena ity.
Lohahevitra amin’ity andiany voalohany ity ny hoe «Madagascar, terre d’opportunités», izay miompana manokana amin’ny fampandrosoana, fampiasam-bola ary fiaraha-miasa maharitra.
«Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa ny roa tonta amin’ireo sehatra samihafa hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana», hoy ny tale lefitry ny CCTM, Razafimbahiny Eric Alphonse. Hisy, araka izany, ny fitsidihana ireo orinasa malagasy sy andrimpanjakana samihafa mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika mba hisian’ny fifanaovan-tsonia ny firenena malagasy sy tonizianina. Ao anatin’izany ny fisokafana amina fampiasam-bola, fifanakalozana traikefa ary fananganana tetikasa stratejika izay manamafy orina ny toekarena. Matanjaka ny rafitra indostrialin’i Tonizia, «manana traikefa tsara azo entina eto amintsika i Tonizia indrindra eo amin’ny joint venture», hoy ny tale jeneralin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), Rafidy Josielle. Marihina fiaraha-miombon’antoka ara-stratejika eo amin’ny orinasa roa na maromaro natao hanatanterahana tetikasa manokana ny iray ny «joint venture». Hampiraisana ao anatin’izay ny loharanon-karena, ny fahaiza-manao, ny fandaniana, ny ambana saingy mijanona ho mahaleo tena ara-dalàna ireo orinasa.
Toekarena
Tombontsoa azo trandrahina tsara ny maha mpikambana an’i Madagasikara sy Tonizia ao anatin’ny Comesa sy ny Zlecaf. Ankoatra izay, tombony ho antsika ny fananana tanora izay maherin’ny 60% ny mponina. Eo koa ny fananana vokatra fanondrana maro samihafa, ny fandrosoantsika amin’ny fampiasana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Araka izany hampiroborobo ny toekarena sy hanamafy orina ny fampivoarana ny fandraharahana ny fiarahan’ny miasan’ny Tonizia sy Madagasikara.
Henintsoa




