Nifandona teny am-pandehanana teo Ambatofotsy, lalam-pirenena fahatifo ny kamiao iray sy ny fiara fitateram-bahoaka sprinter iray, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Noho ny hamafin’ny fifandonana, voafaokan’ilay kamiao nifanena taminy ilay sprinter ka nipitika sy nifafatra tany amin’ny sisin-dalana. Potika tanteraka ny lohan’ilay sprinter. Tery sy voatsindrin’ireo vy tamin’ny fiara tao ny mpamily sy ny mpanampy azy. Nananosarotra ny fisokirana azy tao, satria nosintonina tamin’ny rojo mihitsy ireo vy nanery azy vao afaka tao izy, raha ny fanazavan’ireo mpandeha tao anatin’io fiara. Naratra mafy teo amin’
ny lohany ilay mpamily. Taorian’ny loza, efa noentina any amin’ny hopitaly ireo naratra. Avy aty Antananarivo hihazo an’Antsirabe ity niharam-boina ity. Raha toa ka avy any Atsimo ary hiakatra ho aty Antananarivo ilay kamiao. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza ny zandarimaria avy ao an-toerana. Raha ny fanazavana voaray, tratran’ny torimaso fotsy ny mpitondra ilay kamiao ka anton’ny loza.
Ankoatra izay, voafokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray koa ny fiara mpitatitra entana iray tany Ambatofolaka, lalam-pirenena voalohany, omaly ihany. Nisy zavatra nanalokaloka teo aloha tamin’ ny fotoana nitondrany ny fiara ka tsy nahita lalana ny mpamily. Niala izany izy ka nifatratra tany amin’ilay 4X4 teo amin’ny sisin-dalana. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ireo tranga ireo. Etsy ankilany, mpitondra moto iray no nifatratra tamin’ny omby iray tetsy amin’ny digue Fenoarivo, omaly ihany. Nandeha mafy ilay moto nefa nisy omby niampita tampoka ka tsy tafajanona ity farany. Vokany, maty ilay omby, raha naratra kosa ilay mpitondra kodiaran-droa.
Mino




