Voasambotry ny polisy teny Antohomadinika, ny 18 desambra 2025 tolakandro, ny lehilahy iray 24 taona, mpangalatra atody. Niafina tao ambonin’ny tafontranon’ny biraom-pokontany eny an-toerana izy ka noraisim-potsiny. Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy miasa ao amin’ny PPA Antaniavo Antohomadinika, ny marain’ny alakamisy 18 desambra 2025 lasa teo. Misy lehilahy iray mangalatra atody maromaro ary mampirina izany ao anaty baoritra, rah any voalaza. Rehefa vita ny asa ratsiny, miafina ao amin’ny biraom-pokontany izy. Tonga teny an-toerana ny Polisy, taorian’ny antso. Natao ny fisavana ka tratra niafina tao ny tenany. Anisan’ny ahitana tranga fahaverezana atody matetika eny an-toerana ka mampitaraina ireo mpivarotra.
Ankoatra izay, lehilahy iray hafa ihany koa tratra nanao sinto-mahery teny Analakely, ny 17 desambra teo. Nahazo vaovao avy amin’olona tsara sitrapo ny Polisy fa miverina mihaodihaody eny Analakely indray ny mpanendaka sady mpanao sinto-mahery efa mampikaikaika ny mpandalo. Niroso tamin’ny fanaraha-maso sy fanadihadiana avy hatrany ny Polisy avy ao amin’ny Compagnie urbaine d’intervention sy ny avy ao amin’ny UIR ao Tsaralalàna.
Efa olon-dratsy mpamerin-keloka sady efa ela nokarohina ireto olon-dratsy sarona ireto.
Mino




