Lany faninefany hitantanana ny Sendikan’ny mpiasan’ny ladoany (Sempidou), Andrianavalona Herizo Ramanambola. Mandritra ny telo taona ny fe-potoana hiasany (2026-2028). Fanamby vaovao hoentiny ny fametrahana ny lanjan’ny sendikà hanajana ny tombontsoan’ny mpiasan’ny Fadintseranana, ny hiarovana ny zony, ary afaka miasa an-kalalahana. Manana ny toerany eto amin’ny firenena ny Sempidou, indrindra amin’ny vanim-potoana mafana. Izay no antony tsy aneken’izy ireo intsony ny tsindry politika sy ny tsindry ekonomika. « Ampy izay ny ampihimamba ataon’ny tambajotra Mafia amin’ny mpiasa, indrindra nandritra ny fitondrana roa nifandimby farany teo. Raha vao misy zavatra fantatray, hijoro hitabataba izahay. Vonona hanome tanana ny minisitera mpiahy anay izahay manoloana ny fampitahorana ny minisitera », hoy ihany ny filohan’ny Sempidou.
« Raharaha Fabien »
Tranga iray hanairan’ny Sempidou ny minisiteran’ny Fitsarana ihany koa ny «raharaha Fabien» any Maroantsetra, tratry ny vono sy ratra. Nilaza Andrianavalona Herizo fa «efa nametraka fitoriana any amin’ny fitsarana izahay, saingy tsy etsehin’ny mpampanoa lalàna any an- toerana ny raharaha». Takin’izy ireo koa ny hisian’ny fanokanana tetibola handraisana mpiasa (transfert poste budgétatire », satria efa ho 10 taona izao tsy nisy ny fandraisana mpiasa nefa efa maro ireo lasa nisotro ronono.
Njaka A .




