Fitantanana eny ifotony: lesoka goavana ny tsy fahaizan’ny olom-boafidy

Taorian’ny nandraisan’ny miaramila, filoham-panjakana, ny fitantanana an’i Madagasikara, anisan’ny maro mpangataka ny fanesorana ben’ny Tanàna. Araka ny fanadihadiana, tsy ny loko politika ihany no mahatonga izany fa lesoka iray lehibe koa ny tsy fahafehezana ilay asa.

Matetika heno amin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera ny hoe mila sivana ny fanaovana ben’ny Tanàna sy ny solom­bavambahoaka. Mam­piaka-peo ireo voantohintohina anefa izany. Misy mihevitra ho tsy fitiavana na fankahalana be fahatany izany, andaniny. Misy mamadi-dresaka ho fanoherana bontolo loko politika iray, ankilany. Zava-dehibe sy ilana fandraisana fanapahan-kevitra avy amin’ny tomponandraikitra sy ny manampahefana ny fandinihana ny mahakasika izay.
Mazava ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Torak’iza­ny koa ny voafaritry ny andininy faha-4 amin’ny lalàna 2018-008, nivoaka ny 11 mai 2018, mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, fa afaka milatsaka hofidina avokoa na lahy na vavy ny olom-pirenena tsirairay mahafeno fepetra takina amin’ny sokajim-pifidianana izay hirotsahany. Anisan’ny loha-laharana amin’izany ny fahatrarana ny taona sy ny fisoratana anatin’ny lisi-pifidianana.
Raha ny zava-misy eny ifotony nanaovana ny fanadihadiana anefa dia tena rangory fototry ny afo, tsy mampandroso ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny tsy fahaiza-manao sy ny tsy fisian’ny traikefan’ny ben’ny Tanàna sy ny filoham-pokontany. Mila ezaka lehibe ny fanatsarana ireo efa am-perinasa, indrindra ho an’ny sambany voafidy sy hisahana izany andraikitra izany. Kao­minina maromaro tao anatin’ny faritra Analanjirofo no nanaovana fanadihadiana, saingy hitarafana ny zava-misy ny tao amin’ny kaominina Ambinanitelo, distrikan’ iMaroantsetra.
Nisy ny fidinana ifotony ny 7 hatramin’ny 18 desambra teo. Ny kolikoly sy ny endrika tsy fahaiza-mitantana no niompanan’ny fanadihadiana. Niita­tra amin’ny sehatra maro izany, nitarafana rahateo ny zava-misy anatin’ny fokontany 17, mandrafitra ny kaominina sy ny kaominana mandrafitra ny distrika iray manontolo. Mitovy avokoa ny hodidina misy amin’izy ireo. Nahamora ny fikarohana sy ny fanadihadiana lalina rahateo izany. Toerana lavitra andriana sy tsy tafiditry ny fiara na an’olon-tsotra na fitateram-bahoaka ny ankamaroan’izy ireo. Dia an-tongotra, na moto, na lakana ho an’izay lalovana renirano no fitaovam-pitaterana any. Toy ny tany lavitra andriana rehetra dia manjaka ny tsindrihazolena sy ny fanararaotam-pahefana ataon’izay nomena izany.

Politika maro loko

Raha ny tontolo politika indray, tsy ambakan’ny tanàn-dehibe ny ao Ambinanitelo. Hita eny anivon’ny kaominina ny fahasamihafana amin’ny foto-kevitra. Misy ireo antoko politika matanjaka any an-toerana, toy ny TGV, HVM, Avi, Tim, Arema. Misy koa ny tsy miankina. Mahazo vahana ny fahasamihafana na somary voafehin’ny tompon-tanàna aza izany satria sarotiny ny zanatany. Samy manana olom-boafidy izy rehetra eny anivon’ny fokontany. Samy manana ny fanaovany politika rahateo, miankina amin’ny toe-javamisy mifandraika amin’ny toekarena, ny politika, indrindra ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina. Sady harena no olana ho an’ny mponina ny fivoaran’ny raharaha politika amin’izao fotoana. Maro no miandrandra fanavaozana sy fanovana tena izy.

Mangataka Filohan’ny delegasionina manokana

Maro ny lesoka hita amin’ny fitantanana kaominina any ambanivohitra. Raha ao Ambinanitelo, Maroantsetra, mila fanatevenam-pahalalana ny ben’ny Tanàna. Hita, nandritra ny fanadihadiana natao, fa maro amin’ny vola tokony hiditra anatin’ny kitapom-bola no mitarazoka ny fampidirana izany any amin’ny mpitahiry vola. Na lany tsy manaraka ny fenitra mialoha ny fanaovana izany, na manjavona tanteraka. Ny vola lany dia tsy misy faktiora ara-dalàna. Raha misy aza dia ahitana hosoka, na sora-bola notovanana. Mifanilika andraikitra ny tomponandraikitra misahana ny vola rehefa nisy ny fanadihadiana. Ankoatra ireo, misy ny rosia fakana haban-tsena navoakan’ny kaominina, izay tsy mazava ny fomba nanapahana ny famoahana sy fampiasana azy. Ny mponina sy ny solontenan’izy ireo milaza fa tsy nandalo filankevitra izany, ny ben’ny Tanàna sy ny mpiara-miasa aminy manamafy fa misy ny fanapahan-kevitra ara-dalàna. Mifampirizariza ny andaniny sy ny ankilany. Maro ny fandikan-dalana misy, saingy miandry ny fandraisan’andraikitry ny manampahefana ny mponina. Manoloana ny disadisa eo amin’ny vahoaka sy ny ben’ny Tanàna, misy ny fangatahana ny fanesorana an’ity farany, ka hovana Filohan’ny delegasionina manokana na PDS. Mitokona efa intelo miantoana ny vahoaka. Efa nisy ny fanidiana ny biraon’ny kaominina. Nidina an-dalambe sy namory olona ny mpitarika.

“Madio aho”, hoy Razafimahatratra Laurent

Tsy manaiky ny fanesorana azy kosa ny ben’ny Tanàna, Razafimahatratra Laurent, izay manamafy fa lanim-bahoaka izy. Nambarany fa resaka hafahafa no ao ambadiky ny fikasana hanongana azy. Anisan’ny nasiany tsindrim-peo ny maha tsy zanaky ny fokontany misy ny foiben’ny kaominina azy. Nambarany fa misy ny fanavakavahana ataon’olom-bitsy milalao ny saim-bahoaka. Nitsipaka ny fiampangana azy amin’ny fandikan-dalàna rehetra hita tany an-toerana izy. Nohamafisiny fa misy ny fifampizarana andraikitra amin’ny mpiasan’ny kaominina. Misy, araka izany, ny andraikitra raisin’ny mpiara-miasa izay ankatoaviny fotsiny, rehefa hita fa mahasoa ny kaominina sy ny mponin’Ambinanitelo.
Etsy ankilan’izay, mbola misitraka ny fiarovan’ny mpiasam-panjakana ambony ao amin’ny prefektioran’i Maroantsetra izy, noho ny maha lanim-bahoaka azy sy ny fanajana ny tany tan-dalàna. Nisy ny iraka manokana niarahan’ny Organe mixte de conception na OMC, notarihin’ny lefitry ny prefektiora tany Ambinanitelo. Nanokatra ny biraon’ny kaominina izay nofantsihan’ny fokonolona izy ireo. Nisy ny fanentanana ny mponina hanara-dalàna, raha ny tatitra nampitaina taminay. Tokony ho efa nisy ny tatitra niakatra aty amin’ny minisiteran’ny Atitany taorian’izay, nitondrana ny hetahetan’ny mpifanandrina.

Nanantontosa: Riana Raymond

Partager sur: