« Hifanaraka amin’ny vanim-potoan’ny Noely ny seho, ny loko sy ny fomba fihirana ireo sanganasan’ny tarika Jaw’s Band. Tahaka izany ihany koa ireo fomba fisehoana eny an-tsehatra eo amin-dry zareo… ». Anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana an-tsehatra ity ireo, raha ny fanazavan-dRandimbinjanahary Tahiana, avy ao amin’ny Giga Vibes Évent, mikarakara ny hetsika « Gospel Vibe Christmas » 2025. Hetsika hotanterahina ny alarobia 24 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Amphithéâtre Sainte Famille Mahamasina.
Nomarihiny ihany koa fa fampisehoana hanjakan’ny fiderana sy ny fizarana ny « Gospel Vibe Christmas » ity andiany 2025 ity. Manamafy izany rahateo ny fandraisan’anjaran’ny Revival Messengers ao anatin’ny seho. Tsy toriteny no hatao amin’io fa fampivoarana ny maha olona mifototra kokoa any amin’ny tontolo kristianina, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Nohamafisiny fa hisy ny fizarana aim-panahy.
Manana ireo gadon-kira mifanaraka amin’izany ny tarika Jaw’s Band sy ny Revival Messenger. Ao ny milantolanto. Tsy vitsy ihany koa ny mihetsiketsika. Hanana ny anjara toerana rahateo ny gospel izay anisan’ny nahafantarana ny Jaw’s Band.
Fantatra fa ity rindran-kira evanjelika ity no hetsika voalohany karakarain’ny Giga Vibes Évent.
HaRy Razafindrakoto




