Natao ny 18 desambra teo ny atrikasa namoahana ny fanadihadiana ireo foibem-pikarohana sy rafi-panjakana ara-pambolena eto Madagasikara. Ahitana ny Fofifa, ny Fifamanor, ny Sampandraharaha ho fanaraha-maso ny masomboly (Soc), ny Imvavet ary ny Cffamma, izany.
Notsipihin’ny profesora Radanielina Tendro fa tsy mirindra ny fikarohana ara-pambolena eto Madagasikara ka mila fanarenana. Mahatratra 8 tapitrisa ha ny velarantany azo hajariana eto Madagasikara, nefa ny 20% ihany no tena voavoly. Mpamboly ny 75-80% ny Malagasy nefa tsy mitondra afa-tsy 25% amin’ny harin-karena faobe (PIB) izany. Ho sakafo hohanina no ambolena, toy ny vary, katsaka, mangahazo, miampy fiompiana omby sy ny jono.
Nohazavain’Andrianaivotiana Fanentanana Razatovo, avy ao amin’ny kabinetra International Development Assistance (Ida), fa efa antitra ny fotodrafitrasam-pikarohana. Tsy ampy sady efa lany andro ny fitaovana ary tsy mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena intsony ny laboratoara eto amintsika. Maro ny mpikaroka efa akaiky handeha amin’ny fisotroan-dronono nefa tsy misy mpisolo.
Ho an’i Gaudiose Mujawamariya, solontena maharitry ny AfricaRice eto amintsika indray, « miantehitra be loatra amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany i Madagasikara. Tsy ampy mihitsy ny tetibola atokan’ny fanjakana hanohanana ny seha-pikarohana, ka voatery mitady mpiara-miombon’antoka hafa ». Notsipihin’ ny tale jeneralin’ny Fofifa, ny Pr. Leong Pock Jean Michel, fa natao ho an’ireo rafi-panjakana na rafitra tsy miankina matetika ny fikarohana fa tsy mipaka any amin’ny mpamokatra. Mila hamafisina ny fifandraisan’ny mpikaroka, ny tsy miankina ary ny mpamatsy vola.
Tetikasa FSRP
Vahaolana naroson’ity fanadihadiana ity ny fametrahana paikady ho fiatrehana sy hanomezan-danja ny Malagasy mpikaroka. Mila antontam-baovao siantifika matotra, amin’ny alalan’ny tetikasa fiatrehana ny rafitra ara-tsakafo (FSRP), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena izany. Miara-miasa ny FSRP Madagasikara sy ny One CGIAR, hampiroboroboana ny seha-pikarohana. « Hanampy ny mpamokatra sy hampihena ny fahantrana ity fanadihadiana ity », hoy Rafalimanana Oliva, mpandrindra nasionalin’ny FSRP.
Njaka Andriantefiarinesy




