Tovolahy tratra tetsy Ambanidia: nanolana zazalahy, saika matin’ny fokonolona

Voasambotra teo am-panolanana zazalahikely vao dimy taona ny lehilahy iray, afakomaly, teny Ambanidia. Nanamparan’ny mponina ny hatazerany, efa naratra mafy vao navelan’izy ireo.

Naolan’ny tovolahy 17 taona iray tetsy Am­banidia Volosarika, afakomaly, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, ny ankizilahikely vao 5 taona monja. Tany amin’ny fivoahan’ny maloton’
ilay zaza no nanamparan’ilay tsy mataho-tody ny filàny. Nivoa-dra mihitsy ilay zaza tamin’ny fotoana namonjen’ny fokonolona azy. Nentina nihazo ny hopitaly teny amin’ny HJRA Ampefiloha izy taorian’
izay.
Nilalao niaraka tamin’ny namany teny an-tokontany manamorona ny lalana ilay lasibatra. Hitan’ity nahavanon-doza izany ka notambatambazany hiaraka hilalao aminy. Nentiny tany anaty lobolobo teny amin’ny manodidina izy avy eo, tany no nanamparany ny habibiany. Nikiakiaka sy nitomany io ankizilahikely io tamin’ny fotoana nanolanan’ity olon-dratsy ity azy. Nisy naheno izany ka tonga nijery sy nanamarina ny zava-misy tao amin’ilay toerana nahenoana kiakiaka. Hatairana fa tovolahy manolana ankizy no hita tao. Raikitra ny fisamborana nataon’ny fokonolona tao­rian’izay. Nampanantsoina ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny polisy taorian’izay.

Mangalatra sy mamaky trano
Tonga sy vory maro ny fokonolona vantany vao nahita sy ny naheno ny tranga. Nidaroka sy samy namono ilay nahavanon-doza izy ireo. Naratra mafy vao navelan’ny olona. Tonga teny an-toerana ihany koa ny polisy taorian’izay, nisambotra ilay mpanolana. Nentina eny anivon’ny biraon’ny polisy Tsaralalàna izy natao andrimaso sy miatrika fanadihadiana.
Efa malaza maditra, mangalatra, mamaky trano eny amin’ny manodidina ity tovolahy voasambotra ity, raha ny fanazavan’ny olona teny an-toerana. Efa voasambotra matetika izy noho ny asa ratsy ataony, saingy arovan’ny olona akaiky azy foana. Efa notazonina tany amin’ny zaza maditra ihany koa fa tafavoaka foana. Manoloana ny tranga tahaka izao, miantso ny hijerena akaiky izao tranga izao ny mponina. Manao antso avo ny hampiharana ny sazy faran’izay mafy indrindra ho an’ilay nahavanon-doza ny fianakavian’ilay ankizilahikely lasibatra.

Mino

Partager sur: