Vono olona mahatsiravina: lehilahy iray hita faty tany anaty ala honko

Hita faty tany anaty ala honko, tany Manapatanana-Samborobaka, fokontany Ambondrona, Toliara, ny sa­botsy maraina teo, ny fatin-dehilahy iray. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana izy io, raha ny fizahan’ny mpitsabo sy ny manam-pahefana. Potipotika ny fahitana ny razana, efa simba tanteraka, nosarahantsarahana tamin’ny vatany ny tanany sy ny tongony. Notapahina niala ihany koa ny lohany, izay mbola mikaroka izany ny manam-pahefana. Olona sendra nandeha maraina teny amin’ny manodidina no nahita tanan’
olona notaritin’ny alika ka nampandre ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny polisy sy ny zandary, niaraka tamin’ny mpitsabo, vantany vao nandre ny antso. Natao ny fikarohana ary nahitana kitapo iray nisy vilia fitoeran-tsakafo, jiro fanao am-paosy tao anatiny. Mbola nahitana finday, satroka ary kapa latsaka tsy lavitra ny toerana nahitana ny razana.
Tombanana ho vono olona niniana natao ity tranga ity. Novonoina teo akaiky teo io olona io satria nahitana faritra feno ra, nandritra ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fanadihadiana, nentina eny anivon’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly ao an-toerana ny razana. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty io olona io. Ankoatra izay, nahitana karandohan’olona ihany koa tany Tsara­ri­votra, fokontany Ambondro­na (Mahajanga), afakomaly ma­raina. Mbola tsy fantatra raha misy hifandraisany ireo zava-misy ireo na tsia. Efa mi­karoka ireo nahavanon-doza ny ma­nam-pahefana any an-toerana.

Mino

Partager sur: