Nanao fanambarana tetsy Anosy, ny avy amin’ny polisim-pirenena, omaly. Nanaovan’izy ireo tatitra ny mahakasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ary ny fitsenana ny taona vaovao 2026 hoavy izao. “ Hiantsehatra manerana ny Nosy ny polisy mba hahafahan’ny Malagasy isan-tokantrano sy manerana ny Nosy rehetra mifety am-pitoniana sy am-pilaminana », hoy ny Commissaire divisionnaire de polisy, Tsaramonina Ravony Jean Victor. Ampitomboina sy atevenina ny isan’ ny polisy miantsehatra eto an-dRenivohitra sy ny Renivohi-paritany rehetra. Miasa sy mivoaka ivelan’ny birao avokoa ny polisy rehetra mba hahafahana manolo-tanana ny vahoaka mandritra ny fety. « Avoaka an-dalambe eto an-dRenivohitra sy manerana ny Renivohitry ny faritra rehetra ireo polisy any anaty birao rehetra », hoy ihany izy. Manana adidy goavana sy masina ny polisim-pirenena amin’ny fametrahana ny filaminana. Tanjona ny hanaovan’ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy fety am-pilaminana, araka ny vina napetraky ny fitondram-panjakana.
Tsy handefitra amin’ireo mpanakorontana ny polisim-pirenena. Mijoro izahay mba hametraka ny paikady sy drafitrasa hametrahana ny firenena tan-dalàna sy milamina, raha ny nambarany hatrany. Misy, araka izany, ny fandrindrana anatiny amin’ny alalan’ ny fandraisana andraikitra, fampanarahan-dalànan’ireo polisim-pirenena. Hojerena ihany koa ny polisy minia mandika lalàna ary hosaziana ireo izay tratra mihoa-pefy.
Mino




