Nosy Be Hell-Ville: jiolahy dimy naiditra am-ponja

Notanana am-ponja ny 19 desambra teo ireo dimy lahy mpanao asa ratsy voasambotry ny polisim-pirenena tao Nosy Be Hell-Ville. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambalamanga Befitina, ny alin’ny 11 desambra lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana sady nampiasa pilotra ireo mpandroba ka tsy nisy afa-namaly ny tompon-trano. Noteren’ireo mpanao ratsy hamoaka ny vola rehetra ilay mpivarotra mivady. Nahazo lelavola mitetina 58 tapitrisa Ar ireo tsy valahara ka nanao tari-dositra toa­rian’io. Nametraka fitoriana teny anivon’ny biraon’ny polisy ny lasibatra. Tratra andro vitsy taorian’io ny iray tamin’ireo nahavanon-doza. Nentina natao famotorana ity farany ka nitoroka ireo namany efatra hafa. Nanao vela-pandrika ny polisy. Vokany, tafakatra enina mirahalahy ireo tratra. Voasambotra tao amin’ny fokontany Andavakotoko izy ireo. Natolotra ny fampanoavana ka niafara amin’ny fihazonana vonjimaika any am-ponja. Andrasana ny fotoam-pitsarana azy ireo amin’ny taona vaovao io.

Tsiferana R.

Partager sur: