« SAR’Nao » andiany faha-16: fampirantiana iombonana an’ireo sary nohatsaraina

Manana ny toerany lehibe amin’ny fikirakirana sary ihany koa ny Intelligence artificielle. Hasongadin’ireo mpaka sary amin’ireo sanganasany, hampirantiana etsy amin’ny CGM/GZ, izany.

«IA, vision multiple ». Io ny lohahevitry ny fampirantiana iombonana, izay tontosaina etsy amin’ny CGM/GZ, amin’izao fotoana izao. Manasongadina ny zava-bita amin’ny Intelligence artificielle, eo amin’ny sehatry ny saripika ny fampirantiana. Tsy manala ilay talenta sy fahaizana fototra amin’ny fakan-tsary anefa fa entina manatsara mba hanintona kokoa ny vo­katra. Manaporofo izany ireo saripika voafantina haranty, sanganasan-dry ADN Ranari­soa, Sangask’art, SoaNoro, Heritiana Viro, Elia Harilala, Natohy, E’Mianto, Tonioh Ra­za, Mazava Jesse, Iasoko José, sns.
Tafiditra hatrany anatin’ny hetsika « Festival SAR’nao » andiany faha-16 ny fampirantiana. Tohiny ny marina kokoa, satria fampiharana ilay fiofanana azon’ireo mpaka sary nandritra ny hetsika izany. Nanehoan’izy ireo fa sady tsy hatahorana ho an’ny hoavin’ny saripika ny Intelligence artificielle no vao mainka aza fitaovana hanampy hanome sy tsara kokoa, rehefa tsara trandraka. Tsy ankinina aminy irery koa anefa ny asa, satria miankina amin’ny famoahana ny talentan’ny mpaka sary hatrany no mampiavaka ny sanganasany.
Fampitana fijery samihafa ihany koa ny fampirantiana. Mivelatra, midadasika, mahenika tontolo maro na anatin’ny hita maso na ny foronin’ny saina izany. Mañana hatramin’ny faran’ny volana janoary 2026 ireo te hijery ny fampirantiana.

Zo ny Aina

Partager sur: