Taksiborosy latsaka ambany tetezana: mpandeha 15 naratra, voa mafy ny roa

Nivoaka ny arabe, nifatratra tany ambany tetezana ny fiara mpitatitra iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Mpandeha am-polony naratra.

Olona roa tamin’ireo mpandeha am-polony voa mafy taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo amin’ny tetezan’i Ikalamilotra, kaominina Beri­votra 5×5, distrikan’i Maeva­tanàna, omaly maraina. Nia­inga ny tolakandron’ny ala­hady 21 desambra teo teto Antananarivo io fiara io. Ni­kasa hihazo an’i Mahajanga izy ireo. Nizotra soamantsara hatrany ny dia, saingy tra-doza tampoka rehefa nandalo ny tetezana teo Berivotra. Nikorisa moramora nivoaka tamin’ny lalana io taksiborosy io. Nilatsaka avy hatrany tany anatin’ny hantsana ambanin’ ny tetezana. Notsenain’ny kirihitra sy rano. Nikoropaka ireo mpandeha tamin’ny fiara nanaraka an’io taksiborosy io taoriana. Niezaka nanavotra an’ireo niharan-doza. Nentina teny anivon’ny CHRR Maeva­tanàna ireo naratra. Nisy zaza amam-behivavy tamin’ireo mpa­ndeha. Tsy nisy ny aina nafoy saingy voa mafy ny roa tamin’ireo niharan-doza, ara­ka ny fanampim-baovao. Nala­ma ny lalana ka nisosa ny fiara, nahatonga ny loza.

Haratsian-dalana
Mampitaraina ireo mpandeha, indrindra ireo mpamily sy tompona fiara miasa, ny haratsian-dalana eny anivon’ ny lalam-pirenena amin’izao fotoana. Mitarika amin’ny lozam-pifamoivoizana rahateo io voka-dratsin’ny fahasimbanin’ny lalam-pirenena io, ho azy ireo. Mikatso avokoa ny ankamaroan’ireo fiara ary
mi­teraka fahatarana adim-
pa­man­taranandro maro vokatr’­ izany, raha ny fitarainana voaray amin’izy ireo. Miantso ny tomponandraikitra mahefa ha­nafaingana ny fanatontosana ny asa fikojakojana sy fanarenana ireo lalam-pirenena efa an-dalam-pahasimbana tanteraka izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: