Narodan’ny andian-dehilahy maro, notronin’ny mpitandro filaminana, ny trano manodidina ny 60 tafo tetsy Anosibe Andrefana I, omaly, tamin’ny 6 ora maraina. Navoakan’izy ireo avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Niteraka savorovoro sy ahiahy teo amin’ny mponina izany satria tsy nisy ny fifampiresahana sy fampahafantarana mialoha ny fandrodanana, raha ny nambaran’ireo mponina eny an-toerana. Maro, araka izany, ireo olona traboina sy tsy manana trano hialofana manoloana io zava-nitranga io.
Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Randrianirina Michaël. Nampiato sy nampitsahatra ny asa fandrodanana ny tenany. Miandry fandaminana sy fanapahan-kevitra manaraka ireo mpanatanteraka izany vao afaka miroso na tsia. “Hisy ny fanampiana vonjimaika ho an’ireo traboina amin’izao fotoana manakaiky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao», hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Randrianirina Michaël, manoloana izany.
Ankoatra izay, tsy maintsy tanterahina ny fanamarinana ny taratasy maha ara-dalàna ny tany sy ny fananan-tany mahakasika io tany nisy trano narodana io, mba hisian’ny vahaolana maharitra sy ara-drariny ho an’ny rehetra. Hahafantarana ny tena tompon’ny tany ihany koa izany. Andrasana ny didim-pitsarana nivoaka momba io raharaha io.
Mino




