“Parle fort, parle juste: Guide d’éducation aux médias en ligne”. Io ny lohatenin’ny boky izay natolotry ny ONG Communication Idea Development (CID), ho an’ny Tranombokim-pirenena Anosy, omaly. Boky novolavolaina tanora vitsivitsy, matihanina eo amin’ny sehatry ny serasera izy ity. Tari-dalana natao ho an’ny tanora ihany koa, izay natao tamin’ny teny frantsay. Mahakasika ny fampiasana ny tambajotran-tserasera manokana sy ny internet amin’ny ankapobeny ny boky tari-dalana. Ireo tokony ho fantatra, ireo tokony hialana, ny tokony hatao, sns.
Misy fizarana efatra ao anatiny, ka ny voalohany miresaka ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo manodidina izany. Ny faharoa momba ny fanehoan-kevitra mirona amin’ny fankahalana. Ny fahatelo mahasika ny fanelezana vaovao diso sy tsy voamarina, ary ny farany manodidina ny herisetra sy ny fampitahorana anaty tambajotra, izay efa mahazo vahana ihany koa.
Azo vakina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ity boky tari-dalana ity, manomboka amin’io taona mitsidika io. Tafiditra anatin’ny tetikasa “Manehoa” ny famoahana azy, izay niarahana tamin’ny Internews ary notohanan’ny Vondrona eoropeanina vola.
Zo ny Aina




