Fifanjevoana teny amin’ny HCC: vita fianianana ihany ny mpikambana vaovao

Tafapetraka tamin’ny toerany ihany, halina, ny mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Taorian’ny savorovoro, niafara tamin’ny fiakarana teny Iavoloha, niravona ny olana.

Nahavita ny fiainianany ireo mpikambana vaovao miisa telo eo anivon’ny HCC. Niainga tamin’ny fanendren’ny filoham-panjakana izany. Anisan’izany Tianjanahary Andriamalaza sy Rasolofonjatovo Norovola Ha­ritiana ary Andriamampandry Haingotiana. Efa nialohavan’ny fifampiresahana nandritra ny ora efatra teo amin’ireo mpikamban’ny HCC rehetra sy ireo mpanolotsaina ambony efatra mirahalahy eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanovana teny Iavoloha izany. Anisan’ izany ireo voalaza fa nametra-pialana, Rakotobe Andriama­rojaona sy Ranaivo Mbalo Fidele ary Rahelimanantsoa Rondro Lucette. Nisy ihany izany ny marimaritra iraisana taorian’ny fifampiresahana maharitra matoa nirosoana, tamin’ny 6 ora sasany hariva, ny fianianan’izy telo mianadahy, mpitsara vaovao. Efa nokasaina hatao tamin’ny 11 ora atoandro izany saingy nanda ny filazana ho nanao fametraham-pialana ireo mpi­tsara avo telo mpikambana teo aloha. «Tsy nisy taratasy nosoratanay na nalefanay, na manokana na iombonana, maneho fikasana mazava, malalaka ary tsy misy fisalasalana hametra-pialana amin’ny andraikitray», hoy izy ireo. Nanterin’izy ireo koa fa tsy nisy fampahafantarana ara-dalàna momba ny fametraham-pialana nalefa tamin’ny filohan’ny HCC na voasoratra sy voarakitra araka ny endrika takin’ny lalàna.

Nalaina an-keriny
Efa nialohavan’ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana vao maraina teny amin’ny trano fonenan’ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny HCC, Rahelimanantsoa Ron­dro Lucette, teny Alasora izany. Nokasaina hoentina eny Iavoloha ny tenany saingy nanda ka niova teny Ambo­hidahy izany. Avy eo vao nihazo teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Niafara amin’izao fametrahana sy fianianan’ireo mpitsara avo vaovao miisa telo ihany izany ny raharaha.

Synèse R.

Partager sur: