Anisan’ny voatendry tamin’izany filankevitry ny minisitra izany, i Rolly Mercia, hisahana ny talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Mpanao gazety ary efa minisitry ny Serasera teo aloha sady vao nivoaka ny fonja, farany teo. Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, ny mpanao gazety, Onitiana Realy. Efa minisitry ny Mponina, fony fitondrana HVM sy mitantana ny haino aman-jery tsy miankina iray. Voatendry ho talen’ny tetikasan’ny Fanavaozana, ny mpitsara Arnaud Auguste. Efa filohan’ny sendikàn’ny mpitsara (SMM) teo aloha.
Hisahana ny tale jeneralin’ny «Aviation civile – ACM», Rakotoarisoa Alban (Baba). Mpanolotsain’ny Tanànan’ Antananarivo ary anisan’ny nitarika ny tolona teny an-dalambe farany teo ny tenany. Mpanolotsain’ny Tanàna koa, voatendry ho lehiben’ny faritra mpisolo toerana, Analamanga, Raharinirina Clémence. Anisan’ny niara-dia tamin’i Baba tamin’ny hetsika teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey koa izy. Tahaka izany koa, lehiben’ny faritra mpisolo toerana any Sofia, ny depiote teo aloha, Djaosera Irenée.
Lalàna amin’ny fisavana « Perquisition »
Mpanakanto roa kosa no nahazo toerana ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Hisahana ny tale jeneralin’ny Kolontsaina, Nomenjanahary Théodore Rakotovao, mpanakanto fantatra amin’ny anarana Théo Rakotovao. Talen’ny «Arts et de la promotion artistique» eo anivon’io minisitera io Razafitrimo Toavintsihoarana Ranto, na i Beranto tarika Ambondrona. Ny mpanao gazety, ny Dr Lahiniriko Denis Alexandre, voatendry ho talen’ny vakoka «Patrimoine» eo anivon’io minisitera io ihany. Marihina fa notsiahivina tamin’izao filankevitry ny minisitra izao ny tokony hanajana ireo fepetra sy ny didy aman-dalàna momba ny fisavana «Perquisition».
Synèse R.




