Halatra moto: telo lahy voasambotra

Mirongatra ny halatra moto eto an-dRenivohitra, amin’izao vanim-potoana ankatoky ny fety izao. Lehilahy miisa telo voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny zandary eo ani­von’ny zana-tobim-paritra Ambavahaditokana sy Ambo­himamory, ny alin’ny alatsinainy 22 desambra lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny moto scooter iray, tao amin’ny fokontany iray, anatin’ny fari-piadidiana sahanin’ireo mpitandro filaminana voalaza etsy ambony ireo. Nanararaotra ny ora-mikija ireo mpanao ratsy ka natosik’izy ireo mangingina ny moto. Raikitra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary rehefa naharay fampahafantarana izy ireo. Olona miisa roa tratra teo am-panosehana an’io moto io. Notanana avy hatrany izy ireo. Iray hafa koa tra-tehaka taorian’io. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary ireo olon-dratsy. Naverina amin’ny tompony ny moto taorian’ny fanamarinana. Ankoatr’io, moto halatra iray hitan’ny fokonolona teny Ankatso, ny alin’io alatsinainy hifoha omaly talata io ihany. Nalain’ny olon-dratsy ny moto scooter marika Kymco Racing. Narian’ireo olon-dratsy tao anaty kirihitra ny moto rehefa nanakaiky azy ireo ny mpanara-dia. Tafaporitsaka ireo nahavanon-doza. Manao ny fikarohana ny polisim-pirenena.

Tsiferana R.

Partager sur: