« The Last Gratest Show »: seho farany amin’ny “Namana sy Mozika”

Andiam-pampisehoana niavaka indrindra tamin’ity taona ity ny “Namana sy Mo­zika”. Hisy ny andiany fahatelo sady farany, izay hotontosaina ny 31 desambra izao, eny amin’ny Akanin’ny Tiana Ambohimanandray. Hatokana hanaovam-beloma ny taona 2025 izay namirapiratan’ny “Na­mana sy ny Mozika”, no hitsenana ny taona 2026 ami­na tetikasa ara-javakanto vaovao indray izany. Antony na­nomezana ny lohahevitra “The Last Greatest Show” noho izay famaranana hametrahana fahatsiarovana izay.
Noho izay indrindra, hisy ny famerenana ny seho “The Greatest Show” manomboka amin’ny 8 ora. Famintinana ireo seho teo aloha, izay na­mondronana ireo mpanakanto maherin’ny 50 amina toerana iray. Hira arahina dihy sy tantara an-kira miavaka toa ny hita tamin’ny andiany teo aloha no homanin’izy ireo, mandritra ny ora roa sy sasany eo. Arahina fandihizana, fanao rehefa fetin’ny faran’ny taona toa izao izany.
Anisan’ny mampiavaka ny “Namana sy Mozika” ilay mitety vanim-potoana, amin’ny ala­lan’ny famerenana ireo hira nanamarika izany. Hira vahiny sy hira malagasy no mifandimby eo, araka ny rindra hanehoan’ireo mpanakanto ny ta­lentany. Tanora mpankanto efa nametraka ny anarany eo amin’ny tontolon’ny mozika avokoa izy ireo, hahitana an-dry Larry, Yakin, Kanto Andria­fitahiana, Yrinaf, Manou Rado­nason, Steph Rambi, Gaëlle Tsirinofy, sns, indrindra ireo mpitendry matihanina.

Zo ny Aina

Partager sur: