Niherina sahady ny taona. Migadona ny Krisimasy na ny Noely. Afaka herinandro dia hivalona tanteraka ihany koa ny taona 2025. Nivadika tanteraka ny fiainan-dRamalagasy. Niova ny rivotra politika niampitany any amin’ny fanovana mpitondra. Nirodana ny loko volomboasary taorian’ny 16 taona nitondran’ny filoha Rajoelina Andry.
Niverina ny tantara ho an’i Madagasikara. Nandrombaka fitondrana ny Miaramila. Nitazona izany fa tsy namindra andraikitra tahaka ny tamin’ny taona 2009. Niandrandra fanavotana sy fahagagana Ramalagasy. Sodoka fa rehefa nirodana ny « foza» dia hisosasosa ny zava-drehetra. Nihevitra fa anatin’ny indray mipi-maso dia hivaha avokoa ny olana isan-karazany mikiky ny isan-tokantrano.
Hatreto aloha, tsy mbola hita izay fiovana sy izay fiantraikany any amin’ny andavanandrom-piainana. Hankalaza ny Noely isika rahampitso. Androm-pahagagana, hoy ny mpino maneran-tany, indrindra fa ny mino sy mpanara-dia an’i Jesoa Krsity. Firenena kristianina, entina mpitondra kristianina, i Madagasikara, koa heverina fa tsy hiangatra fa hisy ny fahagagana.
Efa mipetrapetraka tsikelikely ny mpitondra sy ny olona omem-pahefana, hitantana ny firenena, koa hihodina amin’izay ny raharaha rehetra. Tsy mbola hita miasa mivaingana avokoa ny rehetra fa ny olona tendrena no maro an’isa. Efa tapitra rahateo ny roa volana izay, nanaovana andrana ka hanombanana ny mpikambana amin’ny governemanta.
Mitohy ny fiainam-pirenena, tsy misy andro fety mihitsy aloha izao, tsy toy ny nahazatra. Mitady dadabe noely ofisialy ny vahoaka malagasy. Miandry ny anjara fahasoavana ho an’ny isam-baravarana sy ny isam-batan’olona. Tsy vitan’ny fampanantenana fa efa miasa rahateo, anaty fahanginana ny mpitondra. Efa misoko tsikelikely rahateo hatrany amin’ny resaka diplaomasia avo lenta ny raharaha. Inoana fa tsy ho very mandeha Ramalagasy!
r.r




