Arahaba soa, arahaba tsara… Nahatratra sy nahavita ny Krismasy na Noely. Fety kristianina io. Na izany aza, fetin’izao tontolo izao koa: natsahatra, ohatra, ny ady, navitrana ny fihavanana, natao ny fifanampiana… Mby aiza? Mandalo ihany, na fombafomba, na fisehoana… Na ahoana na ahoana, hafa ihany ny miaina amin’izay isehoany sy miseho amin’izay iainana. Tena isiana sy iainana izay fisehoana? Na fifankatiavana io, na fifanampiana na fifampitantanana… Isehoana sy ijoroana izay maha izy azy ny tena, fa tsy takontakonana na afenimpenina. Amim-panetrentena io, amim-pahatokisantena, amim-pifaliana…
Vao marina loatra izany rehetra izany amin’izao hoe fanavaozana izao? Zary hirahiraina, ohatra, ny hoe toe-tsaina aloha no mila fanavaozana na mihavao, raha hanao fanavaozana. Na eo amin’ny manodidina io, na amin’ny fiarahamonina, na amin’ny firenena… Izay mihavao na azo havaozina no afa-kanavao? Rehefa mihavao na lasa vaovao ny tena, mitondra fanavaozana ho azy amin’izay atao, tenenina, aleha… Tokony hisy fiantraikany amin’ny hafa sy ny manodidina izay. Indrindra amin’izao hoe Krismasy na Noely izao… Hitondra fanavaozana amin’ny saina; eny, na hoe fety kristianina aza. Tsy ankalazaina fe ankalazaina, fa tokony hitondra zava-baovao: fanavaozana.
Tsy misy izay fanovana raha tsy atao ny fihavaozan’ny tena sy ny fanavaozana izay atao. Mby aiza? Fanaovana jery todika izao famaranan-taona izao. Raha tsy misy ny fanavaozana sy fanovana, tsy misy izay fandrosoana: fialana sy fanitsiana izay tsy mety na tsy nahombiazana, fanatsarana sy fampitomboana hatrany izay heverina ho mety… Lanja miakatra ny fiainana! Aleo, hono, joko mihasolanga toy izay solanga mihajoko. Aiza ho aiza izay amin’izao hoe fanavaozana izao?
R. Nd.




