Antenimierampirenena: “Fitoriana telo ny mahakasika ny filoha teo aloha”

“Fitoriana telo no napetraka eny anivon’ny Antenimie­ram­pirenena hahazoana mandefa ny raharaha eny amin’ny Fi­tsarana avo (HCJ).” Io ny fa­na­zavan’ny minisitry ny Fitsa­rana, i Ernaivo Fanirisoa, nivahiny tao amin’ny televiziona TV 5 Monde, ny fiandohan’ny herinandro, famampitam-baovao voaray omaly, momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Ny Antenimieram­pi­re­nena no mandinika ny amin’ ireo fitoriana telo ireo. Heve­riny fa tsy sakana amin’ny fanenjehana azy ny amin’ny zom-pirenena zakainy. Na mizaka ny zom-pirenena ma­lagasy na zom-pirenena fran­tsay izy, ny fandikan-dalàna nataony tamin’ny naha filohan’ ny Repoblika azy: azo anenjehina azy na aty Madaga­sikara izy, na any Frantsa, na any Dubai, ary na inona zom-pirenena zakainy.
“Efa an-taonany maro no voageja ny fanjakan’ny fire­nena, ka tsy ho voavaha ao anatin’ny telo volana izany”, hoy kosa izy momba ny toe-draharaham-pirenena. Tanora miditra amin’ny politika ny Gen Z, nefa tsy niomana amin’ izany. Raha miaiky ny fahadisoam-panantenana eo amin’ ireo tanora mihetsiketsika izy, mino fa tsy ho tonga eo no ho eo ny fahafaham-pon’izy ireo. Nisy ny fitakiana sy ny fanamarihana fa efa an-taona maro ny firenena no voageja ny fanjakana, ary tsy ho voavaha ao anatin’ny telo volana izany. Trangan-javatra lalim-paka ny “fangejana ny fanjakana”. Niharan’ny karazana firaisana tsikombakomba amin’ ireo eo amin’ny fitondrana ny fitantanan-draharaha sy ny mpandray anjara rehetra eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ary eo amin’ ny lafiny politika. Rafitra mi­taky mihoatra lavitra noho ny tolo-tanana tsotra ny fandravana izany.

R. Nd.

Partager sur: