Minisitry ny Atitany: “Mba ho fampandrosoana ny distrika rehetra”

“Tiako hamafisina fa izay ny zavatra hita : tsy mora ny hoe fanavaozana lehibe to­kony hoentintsika amin’izao fotoana izao. Ny fijerena ireo distrika rehetra mandrafitra ny Faritra mba tsy ho distrika iray na roa ihany… Ny distrika rehetra mba ho hita sy hahazo tombontsoa sy fampandrosoana avokoa”. Izay no nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray, tamin’ny nandraisan’ ny lehiben’ny Faritra Anala­manga, mpisolo toerana, Ra­harinirina Clémence, ny asany teny Ambohidahy, ny faran’ny herinandro teo. Mila manao ezaka be. Anisan’ny nampikaikaika an’ireo distrika sa­sany ny somary nanadinoina kely an-dry zareo. Fotoana izao hanitsiana an’izay fomba fiasa izay. Maninona no atao hoe vonjimaika ny lehiben’ny Faritra ? Ny lalàmpanorenana mbola manan-kery amin’izao fotoana izao, fidina ny lehiben’ ny Faritra.
Nambaran’ny lehiben’ny Faritra Analamanga, mpisolo toerana, fa fanavaozana no filamatra ankehitriny. Fanavao­zana ny toe-tsaina, fanavaozana ny fomba fiasa… Izany no notakina mba tena haha­tsapa fampandrosoana ny vahoaka rehetra ato anatin’ny faritra Analamanga. Koa ny baikom-pitolomana dia ny miasa, ny miasa, ny miasa… Santionany ny fampanjakana ny fandriampahalemana, ny fanomezana vahana ny famokarana amin’ireo distrika mamokatra, ny fanamboarana fotodrafitrasa samihafa toy ny lalana sy ny tohodrano, ny fampiroboroboana ny famoronana asa…

R. Nd.

Partager sur: