“Raha tonga ny filazan’ny sasany hoe harodana indray io fa hovaina zavatra hafa, olana seza izany. Mba manana olom-boafidy ve ireo olona miteny an’izany? Tsy misy. Olona fantatra avokoa ihany izy ireo.” Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, Ndremanjary Jean-André, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fitakian’ny antoko politika sasany ny handravana ny andrimpanjakana rehetra. Tsy ireo antoko politika nivory teny Ankorondrano no nitarika ny tolona teto, fa ny tanora Gen Z. Rehefa nisy faty olona sy ny faharatrana ary ny ambana sao mivadika ady an-trano ny zava-nitranga dia nandray andraikitra ny miaramilan’ny Capsat. Mazava ny fanapahana lah. 10 navoakan’ny HCC tamin’ny 14 oktobra: manohy ny asany ny andrimpanjakana rehetra. Tsy azo ivalozana ny fanapahan’ny HCC. Ny vokatr’ izay: tsy fanonganam-panjakana no nisy teto Madagasikara, fa ny HCC no nanome fahefana an’ny kolonely Randrianirina Michaël. Izay ny fandaminana azo atao mahasoa ny firenena.
“Hamono tena isika, raha hiditra amin’izay fandravana ny andrimpanjakana rehetra izay”, hoy izy. Hihataka avokoa indray ireo mpamatsy vola. Voasazy indray mandeha isika. Nefa efa mandeha ny dingana ho amin’ny fanavaozana. Io no tohizina. Rehefa tonga ny fifidianana, mirotsa-kofidiana ireo mitady fandravana ny andrimpanjakana rehetra. Voafidy izy raha tian’ny olona. Miala izay tsy lany. Inoana fa tsy hiditra amin’izany fandravana ny andrimpanjakana rehetra izany ny fikaonandoham-pirenena, raha fantatra fa loza mananontanona ho an’ny firenena. Tsy hitady seza no hahatongavan’ny olona hanao fikaonandoham-pirenena, fa hitondra hevitra hanatsara ny fiainan’ny vahoaka.
R. Nd.




