Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpanao famotorana, eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ao amin’ny Toby Ratsimandrava.
Nilaza izy ireo fa tsy afaka ny mizara ny fivoaran’izany aloha, hatreto, ho fanajana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana sy ny zon’ny olona nosamborina. Izay ny vaovao farany mahakasika ny jeneraly Ravalomanana Richard, izay tazomina etsy amin’ny Toby Richard Ratsimandrava, Andrefan’ Ambohijanahary, hatramin’ny sabotsy lasa teo.
Etsy ankilany, manamafy hatrany ny minisiteran’ny Fitsarana fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna. Izay rehetra voakasika na inona na inona sata na toerana na andraikitra efa notanany teo aloha dia iharan’
ny fahefan’ny fitsarana rehefa feno ny fepetra ara-dalàna. Mijoro ho rafitra hampanjaka ny marina ny fitsarana mba hahazoany mampihatra ny lalàna amin’ny fomba hentitra ao anatin’ny fanajana ny filaminam-bahoaka sy ny foto-kevitra iorenan’ny Repoblika
Mifototra amin’ny porofo sy vaovao efa eo an-tanan’ny manampahefana ny famaritana ny vesatra hanenjehana azy. Mety hivoatra araka ny fivoaran’ny raharaha mifanaraka amin’ny lalàna sy ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Araka ny And. 134 amin’ny lalàmpanorenana, ivelan’ny fanatanterahana ny asa aman’andraikitra no nanaovana an’ireo fandikan-dalàna. Noho izany, iharan’ny lalàna ankapobeny mifehy ny vahoaka ny olona voakasika, araka ny fepetran’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery.
R. Nd.




