Noho ny findangan’ny vidim-piainana, nanome tambim-pankasitrahana 310 000 Ar ny mpiasam-panjakana ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Efa nisy ny fizarana ny ilain’ny mponina andavandro mialoha an’io, tany atsimon’ny Nosy.
Notanterahina avy hatrany! Nanomboka omaly ny fandraisan’ny mpiasam-panjakana ilay vola tambim-pankasitrahana avy amin’ ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël. Mitentina 310 000 Ariary isan’olona izany. Samy mahazo avokoa na ny mpiasa raikitra na ny tsy mbola raikitra (non-encadré). Vao maraina dia efa filaharana ny an’ireo naka tamin’ny taratasim-bola na ny Bon de caisse, hatrany amin’ ny faritra aza. Somary niandry ny mpaka vola amin’ny banky.
Izao fanapahan-kevitra izao no noraisina, taorian’ny antso nataon’ny mpiasa amin’ ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fahasahiranana mianjady amin’ny besinimaro. Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra, araka ny didim-panjakana 2025-2119, tamin’ny 23 desambra 2025. Tsy misitraka ny fankasitrahana kosa ny mpiasan’ny minisiteran’
ny Fitantanam-bola sy ny toekarena. Ireto farany izay efa mahazo ny tambim-pankasitrahana isan-taona, efa fomba fiasan’izy ireo hatrizay.
Sosialim-bahoaka
Ankoatra ny mpiasam-panjakana, mahazo ny anjarany ihany koa no olon-tsotra. Toy ny nataony tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nandritra ny fidinana ifotony nataony tany amin’ny faritra Anôsy sy androy no nanatanterahina izany. Efa nisy ihany koa ny fanampiana ny mponin’Anosibe, izay rava trano amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. Tsy mitazam-potsiny ny marefo, araka izany, ny mpitondra fa mitady ny fomba rehetra hanampiana azy ireny. Marihina fa anisan’ny vaindohan-draharahan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika ny lafiny sosialin’ny mponina.
Riana Raymond




