FFKM : “Ho taon’ny fitiavana sy fifankatiavana ny 2026”

“Manasa antsika hanatsara ny faravodilanitry ny fisiantsika ka amin’ny fitiavana dia manampy antsika mba tsy ho maraina tonga hariva fotsiny ny fiainantsika, fa tena fiainana vonton’ny fitiavana sy ny fifankatiavana”. Io ny fiarahabana sy firarintsoan’ny filohan’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Mada­gasikara (FFKM), ny arsevekan’ Antananarivo eo anivon’ny Ekar, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, amin’izao fahatongavan’ny taona vaovao 2026 izao. Enga anie izany ho loharanom-pifaliana sy fiadanana ary fitiavana tsy mety ritra ho an’ny rehetra. Aoka isika tsy hamela ny fiainantsika ho lasa tsingerina tsotra amin’ny andro iainantsika, fa ho andro mitohy feno fitiavana mialoha antsika any amin’ny mandrakizay izay hovantanina indray andro any. Ny fitiavana no hitsarana antsika amin’ny harivan’ny fiainantsika.
“Arahabaina isika mianakavy nahatafita soa ity taona vaovao 2026 ity”, hoy izy. Misaotra an’Andriamanitra na­hatsipaka izay tsy maintsy nodinganina iny ampahefany voalohany amin’ity taonjato XXI ity. Ho voninahitr’An­dria­manitra sy ho fiderana azy anie ny tombon’andro mbola omeny antsika. Ho mamy sy hamiratra ary ho feno fanantenana anie ity taona vaovao diavintsika ity. “Araka ny lalàna voajanahary amin’ny fiainana, handalo ihany koa ity taona vaovao idirantsika ity. Fa Andriamanitra miara-monina amintsika isan’andro ma­nainga antsika hamonto fitiavana ny fiainantsika andavanandro. Andavanandrom-piainantsika izany”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: