Kolonely Randrianirina Michaël : “Handraisana fepetra amin’ny tomban’ezaka ny governemanta”

Araka ny fanamby, roa volana no nomena ny governemanta amin’ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka teny an-kianja. Hisy ny tomban’ezaka izay handraisana fepetra amin’ny fitazonana na fanoloana minisitra…

“Ny tonon-taona toy izao no voatokana anaovana tomban’ezaka. Mifanojo sy mifanindry amin’ny fe-potoana roa volana nomena iasan’ny governemanta izany. Eo am-panatanterahana ny tomban’ezaka sy fandinihana ireo antontanisa sy maridrefy isan-karazany izahay ankehitriny”. Io ny ka­bary fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’ny vahoaka malagasy noho ny taona vaovao 2026 nataon’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randriani­rina Michaël, ny alin’ny 31 desambra. Aorian’izay, hisy ny fandraisana fepetra mo­mba ny fitazonana amin’ny toerany na ny fanoloana ny mpikamban’ny governemanta tsirairay na ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny. Mamaly ny hetahetam-bahoaka teny an-kianja no laharam-pahamehana. Ny fisitrahana ny zo fototra izany. Voalohany, ny jiro sy rano ho an’ny vahoaka.
Momba ny fahalalahana maneho hevitra, lehibe indrindra ny famoahana ireo gadra politika. Noho izany, hisy ny fanafoanana sazy feno sy manontolo ho azy ireo. Am­pahany voalohany nivoaka tamin’ny didim-panjakana tamin’ny faran’ny taona, fa mbola hisy andiany manaraka rehefa vita ny fandinihana ny momba azy. Misy koa ny didim-panjakana manome fa­nalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja voakasik’izany. No­ta­kian’ny mpitolona koa ny fanolorana amin’ny fitsarana ireo nahavanon-doza teto amin’ny firenena, indrindra nandritra ny hetsi-bahoaka farany teo. Mitohy ny ezaka amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fanadihadiana eto an-toerana an’ireo rehetra mihoa-pefy. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, singanina ny ezaka vita tamin’ny fahamarinan-toerana sy ny fitohizan’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo firenena maro sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. Efa miverina ny fitokisan’ny rehetra sy ny mpamatsy vola an’i Madagasikara amin’izao.

R. Nd.

Partager sur: