“Enga anie ka fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana tiantsika hajoro eto Madagasikara. Ary tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy”. Io ny fiarahaba sy firariantsoan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tany Toamasina, ny fiandohan’ny taona teo. Ampy izay ny fanaovana ny olona ho zaza lava: omeo vary, omeo ronono, omeo paompy… Ampandraiso andraikitra ny olona hampandroso ny Faritra na ny tanàna misy azy. Fifaninanana masina no atao, ary atao ao anaty fitsimbinana sy fiahiana ny tombontsoan’ny besinimaro. Raha sanatria atao ambanin-javatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy ary tsy fo mahitsy no entina hanaovana ny dinika nasionaly, tsy hisy izany fandrosoana izany ary lainga ny fanavaozana tian-katao.
Dradradradraina ny fitiavan-tanindrazana, nefa ny zanaka na ny zanaky ny sasany tsy mahay miteny gasy. Nefa gasy reny, gasy ray. Any ivelany koa ny fananana rehetra sy ny fampiasam-bola, fa ny fasana no atao eto Madagasikara. Antsoantsoina hanorina orinasa ny olona. Nefa tsy hamoraina ny fanaovana azy, sakanana amin’ny fomba samihafa izay te hanao zavatra. Tokony hiainana marina ny fihavanana, soatoavina malagasy ao anaty fitiavana sy fahamarinana. Raha tsy izany, tsy mihavana fa mody mihavana. Dia miaina ao anaty fihatsarambelatsihy. Tsy manjary araka ny tokony ho izy ny firaisankina sy ny maha olona iray, raha tsy ao anatin’ny fahamarinana sy ny fitiavana. Tsaroana eto ny tenin’ny mpampianatra filozofia izay: aleo fahafahana ao anaty korontana toy izay filaminana ao anaty fanandevozana. Samy tsy tsara ireo, fa mamitaka ny sarintsarim-pilaminana nefa ao anaty fanandevozana sy fanambaniana ary fanararaotana: atao tohatra fiakarana ny olona.
R. Nd.




