Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana”

“Enga anie ka fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana tiantsika hajoro eto Ma­dagasikara. Ary tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy”. Io ny fiarahaba sy firariantsoan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tany Toamasina, ny fiandohan’ny taona teo. Ampy izay ny fa­naovana ny olona ho zaza lava: omeo vary, omeo ronono, omeo paompy… Ampan­drai­so andraikitra ny olona hampandroso ny Faritra na ny tanàna misy azy. Fifaninana­na masina no atao, ary atao ao anaty fitsimbinana sy fiahiana ny tombontsoan’ny be­sinima­ro. Raha sanatria atao ambanin-javatra ny fitsinjaram-pa­hefana tena izy ary tsy fo ma­hitsy no entina hanaovana ny dinika nasionaly, tsy hisy izany fandrosoana izany ary lainga ny fanavaozana tian-katao.
Dradradradraina ny fitiavan-tanindrazana, nefa ny za­naka na ny zanaky ny sasany tsy mahay miteny gasy. Nefa gasy reny, gasy ray. Any ivelany koa ny fananana rehetra sy ny fampiasam-bola, fa ny fasana no atao eto Mada­ga­sikara. Antsoantsoina ha­no­rina orinasa ny olona. Nefa tsy hamoraina ny fanaovana azy, sakanana amin’ny fomba sa­mihafa izay te hanao zavatra. Tokony hiainana marina ny fi­havanana, soatoavina ma­­la­gasy ao anaty fitiavana sy fa­hamarinana. Raha tsy izany, tsy mihavana fa mody mihavana. Dia miaina ao anaty fi­hatsarambelatsihy. Tsy manjary araka ny tokony ho izy ny firaisankina sy ny maha olona iray, raha tsy ao anatin’ny fa­hamarinana sy ny fitiavana. Tsa­roana eto ny tenin’ny mpampianatra filozofia izay: aleo fahafahana ao anaty ko­rontana toy izay filaminana ao anaty fanandevozana. Samy tsy tsara ireo, fa mamitaka ny sarintsarim-pilaminana nefa ao anaty fanandevozana sy fanambaniana ary fanararaotana: atao tohatra fiakarana ny olona.

R. Nd.

Partager sur: