Tapitra ny roa volana fanamby ho an’ny governemanta amin’ny fanavaozana ifotony sy ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka. Mby aiza ? Ho avy ny tomban’ezaka…
“Ho avy ny tomban’ezaka ny fitondrana ny fanavaozana ifotony”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’ny dinidinika tamin’ny tamin’ny haino aman-jery sy ny solontenan’y Gen Z, teny Mahazoarivo, omaly. Hatramin’ny fifidianana lalàmpanorenana no tanterahina ao anatin’ny 24 volana. Eo koa ny fifidianana filohan’ny Repoblika, depiote… Any amin’ny filoham-panjakana ny tomban’ezaka. Tomponandraikitra amin’ny minisitra mandrafitra ny governemanta izy Praiminisitra, itakiana tamberin’andraikitra koa.
Ny fitakiana teny an-kianja no lasa fandaharanasa maika: ahoana ny famatsian-jiro sy ny rano, ny tontolo iainana eny amin’ny oniversite, ny fahantran’ny Malagasy, ny tokony hijerena ny fifandraisan’ny samy Malagasy? Izay no nanaovana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026. Narahina ny fifanarahana ny iraisam-pirenena nandrafitra ny tetibolam-panjakana. Nomena ny minisitra tsirairay ny iraka manokana. Nandritra roa volana : firenena mahantra i Madagasikara, tsy afa-manana vola vokatry ny asa hahazoana mandoa karama mpiasam-panjakana, fanaovana fotodrafitrasa… Tsy ampy ny fandoavan-ketra. Tsy maintsy mila fanampiana amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, tsy maintsy misy fandaharanasa. Tsy azo ialana fa tsy ampy ny vola eo an-tanana. Tsy midika izany fa very ny fiandrianam-pirenena.
Misy ny ezaka famokaran-jiro, ohatra: famenoana rano an’Andekaleka, fanomezana herinaratra avy amin’ny herin’ ny masoandro. Mbola misy ny delestazy, fa fanapahan-jiro izay olana teknika no sisa. Fehezina ny fitaovana fa misy fifandresen-dahatra henjankenjana miaraka amin’ireo tompon’ny fitaovana. Ny rafitra napetraky ny Jirama hatramin’izay no tena olana.
R. Nd.




