Baolina kitra – CAN 2025: «Mondialistes» dimy hiatrika ny ampahefa-dalana

Hitohy rahampitso zoma ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2025). Fantatra avo­koa ireo ekipa 8 hiatrika ny dingana ampahefa-dalana. “Mondia­listes” miisa 5 indray tafita amin’izany dia ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny Faraonan’i Egypta. Eo koa ny Liona-n’i Atlas Maroc sy ny Fennecs Al­gerie ary ny Liona-n’i Teranga Senegal.
Anisan’ny lalao andrasan’ ny rehetra ny fifanandrinan’ny samy “Mondialiste” dia ny fihaonan’i Egypte sy i Côte d’Ivoire, tompondaka farany. Hiendrika famaranana kely satria hiaro ny anaram-boninahitra eo an-tanany ny Ivoa­rianina. Hangotraka ihany koa ny fifaninandrinan’ny Lio­na tsy voafolak’i Came­roun, amin-dry zareo Marao­kanina izay mpampiantrano ity Can an­diany faha-35 ity.
Mbola hafana vay ihany koa ny an’i Algerie sy i Nige­ria. Ekipa diso mifankahalala tsara ary efa ela nifampiandrasana ny roa tonta. Eo koa ny an’ny voromaherin’i Mali, hikatroka amin’ny liona-n’ny Teranga Senegal. Izy ireo no hanokatra ny lalao rahampitso zoma, ao amin’ny kianja Tan­ger. Aorian’io, ny an’i Maroc sy i Cameroun. Ny sabotsy, hiaka-tsehatra i Algerie sy i Nigeria ary i Egypte sy i Côte d’Ivoire. Hatreto, ekipa tsara fiarovan-tena indrindra i Al­gerie. Tsy nidiram-baolina afa-tsy iray.

Tompondaka

Partager sur: