Volley-Taona 2026 : Feno tanteraka ny fandaharam-potoana

Fiofanana ho an’ny mpanazatra hatao any Toamasina, no hisantarana ny taom-pilalaovana 2026, ho an’ny taranja volley ball, ny 24 hatramin’ny 27 febroary izao, raha ny fandaharam-potoanan’ny federasionina. Hisy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 19 taona aorian’izay hitiliana izay handrafitra ny ekipa malagasy hiatrika ny “Championnat des Nations Zone 7”, andiany voalohany, hatao eto Mada­ga­si­kara, ny 22 jolay hatramin’ny 1 aogositra. Ho an’ny fifaninanana eto an-toerana, noezahina ny hanapariahana izany mane­rana ny Nosy, araka ny nambaran’ny Tale teknika Nasionaly eo anivon’ny FMVB, Raoelison Hasimbola. Somary hifantoka any amin’ny faritra Atsimo izany amin’ity taona 2026 ity. Ho an’ny fifaninanana CCZone 7 hatao any Seychelles, ny 27 febroary hatramin’ny 7 marsa kosa, ny ekipa roa voalo­hany tamin’ny fifaninanam-pirenena seniors no hisolo tena an’i Madagasikara, izay ahitana ny GNVB 1 sy GNVB 2, eo amin’ ny lehilahy ary ny GNVB sy ny SQUAD kosa, eo amin’ny vehivavy. Raha misy tsy fahafahan’ireo klioba ireo, miakatra sy afaka mandray anjara ny laharana fahatelo sy fahefatra, araka ny fanazavan’ny DTN hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: