SOMBIM-BAOVAO

Nitsidika sy niarahaba noho ny fahatrarana ny taona ary nanolotra fanomezana an-dRandriama­nampisoa Alfred, filohan’ny FMF, ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara CFEM, notarihin’ny filoha, Rakotoarimanana Henintsoa, omaly, teny Isoraka. Tsy ny CFEM irery ihany fa teo ihany koa ny delegasionina avy amin’ny ligin’Analamanga.

Notanterahina ny alahady lasa teo ny lalao famaranan’ny Super coupe d’Espagne, taranja baolina kitra. Mbola tsy niala teo am-pelatanan’ny FC Barcelone hatrany ny amboara, rehefa nandavo ny Real Madrid, tamin’ny isa tery, 3 no ho 2, ry zareo. Mbola tsy nahazo amboara an’i Espagne miaraka amin’i Mbappé mihitsy aloha izany ny Real Madrid.

Hanatanteraka “Forum régional” ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Échecs, ny sabotsy 17 janoary izao, eny amin’ny Lycée JJ Rabearivelo Analakely. Mpilalao, mpanazatra, klioba, mpitsara, raiamandreny ary mpankafy ity taranja ity no antsoina hanatrika izany.

Partager sur: