Tontosa ny sabotsy 24 janoary, tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina Arivonimamo ambonivohitra, ny fanavaozana sy fifidianana ny birao hitantana ny Fikambanana Zanak’Imamo mandritra ny 3 taona. Nanome toky ireo birao vaovao, tarihin-dRandimbiarison Herizo, fa hiezaka hanao izay tratry ny heriny izy ireo hitondra ainga vao ho an’ny tanànan’ Arivonimamo ary hamerina indray ny lazan’ny tanàna fahiny amin’ny alalan’ny fanatontosana ireo hetsika marolafy hamerenana ny hasin’ny tanàna. Notsiahivin’ity filoha vaovao mitantana ny Fikambanana zanak’Imamo ity, fa « anisan’ny tanjon’ny fikambanana rahateo ny fanetsiketsehana ny tanàna amin’ny lafiny maro samihafa (kolontsaina, fizahantany, sosialy…), ary ny fitondrana anjara biriky amin’ny fanatsarana ny tanàna ». Marihina fa mandia ny faha-38 taona ny fikambanana. Anisany zokiny indrindra mampivondrona ireo teraky ny distrikan’Arivonimamo. Fantatra fa hiatrika fivoriambe tsy ara-potoana voalohany, ao amin’ny kaominina Arivonimamo-I, ny 21 febroary ho avy izao, ity fikambanana ity.
Vokatry ny fifidianana: Randimbiarison Herizo (Filoha), Andrianaivo Nirina Arthur (Filoha lefitra), Andrianjaza Malala (Mpitambola), Andriambololonirina Hantarisoa (Mpitantsoratra), Mpanolotsaina: Iharimanana Naly, Razafimahery Nary, Rasendrason William, Randrianarivo Rija, Ramanandraibe Velontsoa, Ravomahery Mamy Lalaina, Heriniaina, Harijaona Thierry C.
HaRy Razafindrakoto




