Tonga tetsy Ivato, omaly, ireo delegasionina malagasy ny ekipa nasionaly Barea Ladies, izay avy niatrika ny dingana faharoa, fifanintsanana lalao olympika Los Angeles 2028, izay natao tany Afrika Atsimo, ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa nahintsan’ny Banyana Banyana Afrika Atsimo, ny ekipa nasionaly malagasy.
Araka ny fikarohana natao omaly, mbola mitohy hatrany ny fiatrehan’ny Makis Ladies, ny fiofanana atsy Tunisie. Ankoatra azy ireo, miatrika ity fiofanana ity ihany koa ny mpilalaon’i Kenya, sy i Tunisie. Marihina fa ity fiofanana ity dia tafiditra anatin’ny fanomanana sahady ny lalao olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026), izay hatao atsy Dakar Senegal, ny volana novambra ho avy io.
Mbola manamafy ny mahatompondakan’ ny Eoropa, Ligue des Champions farany azy teo, ny ekipa frantsay, Paris Saint Germain FC. Resin’izy ireo, tamin’ny isa, 4 no ho 1, ny Manchester City Anglisy, omaly, tao amin’ny Etihad Stadium, Angleterre, ny afakomaly teo. Amin’ny herinandro ambony io moa ry zareo, hidona amin’ny klioba espaniola, FC Barcelone.





