« Mandrakizay Doria » : Sarimihetsika mampifandray ny taloha sy ny ankehitriny

Tsy toy ny sarimihetsika malagasy saika mahazatra… Teo amin’ny fanoratana sy ny fanatontosana dia efa tsapa ny ezaka hanome endrika vaovao ny sarimihetsika malagasy, ao anatin’ny « Mandrakizay Doria ». Mipetraka ho tsipi-panohizan’ny tantara taloha sy ny ankehitriny ny vokatra.

Ny 13 febroary 2026 izao no handeha voalohany anaty efitrano fijerena sarimihetsika toy ny Cinépax ny «Mandrakizay Doria». Efa amam-bolana mialoha izany anefa no manomboka fantatra ka nampanitikitika ny maro, indrindra ireo mpankafy sarimihetsika, izany. Nambara fa azo hitarafana ny tantara teto afovoan-tany, nanomboka tany amin’ny taona 1869 ity sarimihetsika lava, voalohany notontosain’i Franco Clerc, ity. Avy dia nanaitra izany, indrindra rehefa fantatra fa niara-nanoratra sy namolavola tao i Rolland Raman, Synthia Saga ary i Joey Aresoa. Mampifan­dray ny tantara, ny zava-misy taloha sy ny ankehitriny, ny tantara anatin’ny sarimihetsika «Mandrakizay Doria».
Mazava loatra fa tantaram-pitiavana ny fototra, raha tarafina amin’ny lohateniny fotsiny. Amin’ny teny malagasy iray manontolo, mitety vanim-potoana, satria nanomboka ny taona 1869 izany. Tantaran’i Railovy, tantsaha latsa-pitiavana tamin’i Lala, zanaky ny manana tamin’izany, vanim-potoana nisian’ny elanelana migodana teo amin’ny fiarahamonina malagasy mihitsy. Nila vonjy tamina mpitaiza i Railovy mba hahazoany ody izay mitamby ny tsy fahafatesana, hany ka nitarika ny tsy fahafatesana ho azy sy i Lala izany. Voaozona nitety vanim-potoana maro efa ho 150 taona ary mitarika hatraty amin’ny taona 2024 izany tantaram-pitiavana izany…
150 taona, maro ny miova. Manaraka izany koa ny ravaka, fitafy, sns, anaty sarimihetsika. Tsy ny fifehezana ny tantara fototra fotsiny, fa ao koa ny tantaram-pirenena, ny vakoka sy ny endri-kolontsaina maro takin’ny sarimihetsika toy izao. Voafehy ao anatin’ny adiny 1 sy 48 minitra izany, izay ravahan’ny mozikan’i Hélène Ha­vice, Aina Rasamoelina ary Volahasiniaina Linda.

Zo ny Aina

Partager sur: