Tsy mila miolonolona!

 

Notanterahina omaly ny fikaonandohan’ny Tafika Malagasy. Nivoitra, tamin’izany, ny fanamafisan’izy ireo ny maha mpandray anjara fototra amin’ny fanavaozana lalina tiana hapetraka eto Madagasikara azy ireo. Maro no tonga namaly ny fanasana avy amin’ny minisitera. Nisy ny am-perinasa sy ny efa nandeha nisotro ronono. Samy mitondra ny anjara biriky avokoa izay afaka nanao izany.
Tsy any loatra anefa no hitondrana ny famakafakana, anio, satria raha ny kivorivory sy ny karazana fakan-kevitra izay, efa ela ihany i Madagasikara no tafavoaka ny ala. Ilay fomba hitantanana ny firenena ankehitriny no hisintonana lakolosy. Mba tena hifantoka amin’ny fanovana rafitra fa tsy hijanona amin’ny fahazoana fahefana. Maro sahady ireo nanadino ny toky nomena.
Anisan’ny mampiavaka ny miaramila ny fanajana ny teny nomena sy ny tokim-panompoana. Tsy tokony hivaona amin’izay ny zava-drehetra tanterahina eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Firenena masina rahateo i Madagasikara, mitaky finiavana sy fitiavana. Tsy mila mpanao politika politisianina fotsiny. Izay rahateo no fanovana sy fanavaozana tena andrasan’ny sarambabem-bahoaka.
Zara aza nahazo miaramila! Niakatra ambony be ny taham-panantenana amin’ny fanatsarana ny fanaovana politika sy ny tontolo iainan’ny vahoaka tsy mandady harona. Asa avy hatrany, miampy vokatra no tanjona. Tsy kabary, hoy ny kolonely Randrianirina Michaël, isaky ny miteny izy. Samy miandry ny vokatra azo tsapain-tanana isika, araka izany.
Tsy vitan’izy ireo samy irery anefa izany, mitaky fanamafisana ny firaisankina eo amin’ny samy mpiray tanindrazana. Taninjanaka iombonana rahateo i Madagasikara, tsy vitan’olom-bitsy sy ireo mpanao fiaron’amboalahy antitra. Ilaina ny entan-jaraina mora zaka sy ny tongotra miara-mamindra na ny soroka miara-milanja. Fadiana ilay hoe ny hery no mahaleo ny fanahy!

r.r

Partager sur: