Mois : janvier 2026

Basikety-Ratianarivo Livio: “Mila tanjaka ara-batana raha te hahomby”

Miditra amin’ny andro fa­ha­dimy, anio, ny fampivondronana ny Malagasy mpilalao, Ankoay, taranja basikety, ha­no­manana ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, hatao any Da­kar, amin’ny faran’ny volana febroary. Herinandro izay no vita, nanaovana ny fanamafisana ny tanjaka ara-batana. Nambaran-dRatianarivo Livio, Malagasy mpilalao, fa “io tanjaka ara-batana io no tena ilaina. […]

SOMBIM-BAOVAO

Fantatra omaly avokoa ireo klioba tsy hiatrika ny lalao sakana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions LDC 2026 ». Anisan’ ireo ekipa tsy maintsy hiatrika izany kosa ny Real Madrid, espaniola, ny Paris Saint Germain FC, frantsay, izay tompondakan’ny LDC farany teo. Tsiahivina fa resin’ny Benifica tamin’ny isa […]

StarTimes : Fitantarana lalao amin’ny teny malagasy

Tolotra manakaiky vahoaka, natao ho an’ny Malagasy rehe­tra. Mitohy ny fitantarana amin’ny teny malagasy, ao amin’ny rohim-pandaharana fahitalavitra avoakan’ny Star­Times, ireo fifaninanana baolina kitra iraisam-pirenena, toy ny fifaninanana espaniola Laliga. Manatanteraka izany ny mpitantara matihanina, i Daniel Randriamaro sy i Edouard Rato­voson, fantatry ny maro hoe Rayest. Efa nanomboka tamin’ […]

Pureplay Football League : Tsy mandray lalao ny Kianja Rabemananjara

Tsy afaka hampiantrano lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny Kianja Rabemananjara Mahajanga noho ny fisian’ny korontana ataon’ny mpitsara vitsivitsy, izay mikomy any an-toerana. Nanapa-kevitra ny tomponandraikitra eo anivon’ny CFEM ny tsy hanisy fihaonana any an-toerana mandra-pahatonga ny lamina vaovao. Tapaky ny mpikambana eo anivon’ny Kaomisio­nina hikambanan’ireo klio­ba elita […]

INDRAY MIJERY

Araka ny vinavina, hitombo hery miandalana ilay andro ratsy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ary tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo ivoarany. Mety ho lasa rivodoza izy, anio. Araka ny antontan-kevitra voaray, manambana mivantana ny faritra Ava­ratra Andrefana iny ity andro ratsy ity, rahampitso maraina. Entanina sahady ny mponina amin’ny faritra Boeny […]