Mois : janvier 2026

Siméon Rajaona 100 taona: Herintaona ny fotoam-pankalazana

Rajaona Siméon, Professeur titulaire émérite. Teraka ny 18 febroary 1926. Nodimandry ny 23 jona 2013. Ny 18 febroary 2026 ka hatramin’ny 18 febroary 2027 no hankalazana ny faha-100 taona nahaterahan’ity mpampianatra, mpikaroka, mpanoratra, sns, ity. Hetsika maro eo amin’ny tontolon’ny siansa sy kolontsaina no hotanterahina mandritra io herin­taona io, ho […]

“Tsapiky Festival” : Hanandratana ny tsapiky amin’ny sehatra avo

Efa harembakoka iraisam-pirenena. Rariny raha hasongadina eto an-toerana ka hatrany ivelany ny gadona tsapiky. Ny 10 desambra 2025 no nivoaka ny fanambarana avy amin’ny Unesco: Tafiditra ho isan’ireo harembakoka iraisam-pirenena ny gadona tsapiky. Nampahan­fatarin’ny minisitry ny Sera­sera sy ny kolontsaina tamin’ny fomba ofisialy izany, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola anisan’ireo noraisin’ny iraky ny SADC ny Vato, ahitana ny Gen Z, Gen Y, GMH, omaly. Nirohotra nankeny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izy ireo nitaky izany fihaonana izany sy niantsoantso miaraka amin’ny sorabaventy ny handravana ny Ante­nimie­ram­pirenena. Takin’izy ireo koa ny hanaovana ny tena fanavaozana, araka ny tolona. Harovana ny […]

Diplaomasia : Tohivakana ny iraka ho amin’ny fitoniana

Tsy mbola milamina tanteraka sy azo antoka ny toe-draharaham-pirenena eto Mada­gasikara? Indrindra ny tontolo politika… Manoloana izany, tohivakana ny iraka avy any ivelany tonga eto Mada­ga­sikara, raha ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny voa­ray omaly. Eo, ohatra, ny delegasionin’ny Firenena mi­kambana (ONU), notarihin’ny tale lefitry ny sampandraharahan’ny ONU misahana […]

Banja malalaka

  Mampiaiky volana ny herin’ny facebook! Tena zary kianja filalaovan’ny mpiserasera eto Madagasikara ilay izy. Banja malalaka ampy hifanandrinan’ny samy mahery. Na mpitondra na mpanohitra samy mitondra ny lohany. Tsy ahitana taratra izay faharefoana izany mihitsy. Na iza na iza mampiranty toa tampim-pahaizana sy tsy kasi­han’ota izany. Izay mivoaka babany […]