Tontolon’ny hira : Hivondrona ireo mpitendry zavamaneno

Nihaona omaly, tao amin’ny Ivokolo Analakely, ireo mpitendry zavamaneno. Nisongadina, tamin’izany, ny antso ho an’ny firaisankinan’ny mpitendry manerana an’i Madagasikara hivondrona ao anaty fikambanana « Mpitendry malagasy ofisialy » iray.

Avy amin’io sehatra mi­sokatra io no hitondrana ny feon’ny mpitendry. Hiaro ny zony, hanatsara ireo fepetra iasany. Hampirobo­robo ihany koa ny tontolon’ny mozika voalamina ara-drariny sy maharitra.
Anisan’ny asa hataon’ny fikambanana ny fanentanana manerana an’i Madagasikara ny amin’ny tokony hivondronan’ny mpitendry ao anatin’ny « Mpitendry malagasy ofisialy ». Mba hahafahana mahafantatra ireo izay tena mpisehatra maro amin’ity zavakanto iray ity no hanaovana izany. Sady ahafahana maminavina sa­hady koa ny hitsanganan’ny Holafitry ny mpitendry zavamaneno eto Madagasikara.
Tafiditra ao anatin’ny rindran-damina sy asa tantera­hin’ny fikambanana ihany koa ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpitendry. Ezahina ny hisian’ny rafitra mipetraka ma­zava momba azy ireo. Raha misy hetsika ilaina mpitendry, io rafitra io no hiaro azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa.
… Olana matetika miverina eo amin’ny mpitendry ny tsy fandoavan’ny mpikarakara ny karama nifanarahana, satria, « tsy nahazo olona, hono, ilay seho ». Ny fisian’ny fikambanana tahaka izao no iray amin’ ny famahana ny olana tahaka izany. « Feo vaovao ho an’ny mozika malagasy », hoy ireo mpitendry, omaly.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: