TARATRY ny KANTO

Amin’ny alatsinainy 16 febroary, amin’ny 10 ora maraina, no hotontosaina ilay « Show case » an’ny tarika Mage 4. Ilay saika hatao omaly, teny amin’ny BBS Anosizato, izay voatery nahemotra noho ny toetr’andro. Tsy misy miova kosa ny fandaharam-potoan’ny tarika ankoatra io, izay efa maromaro no fantatra amin’ity taona ity.

«Nofoanana ka hahemotra amin’ny fotoana manaraka ihany koa ny velakevitra saika hotontosaina omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. « Ny fiainana skotisma, tarafina amin’ny asa soratry ny Faribolana Sandratra » ny lohahevitra, izay mbola hofakafakain’ i Ny Ilo Jihy, i Herimiaraka Rabemalan­jaona ary i Ando Malala.

Tontosa omaly ihany ny fitsirihana ny Vohitr’Ambohimanga. Anisan’ny asa iantsorohan’ny Ofisy mitantana ity harembakoka iraisam-pirenena ity, rehefa aorian’ny fandalovan’ny rivodoza toy izao. Tsy nahitana fahasimbana ireo singa mandrafitra ny vohitra, afa-tsy ambana amin’ny fahatapahana hazo. Efa nandraisana fepetra izany, ho fiarovana ny toerana, ny mpitsidika sy ny mpiasa.

Partager sur: