Brio Connect : Tanora malagasy, ivon’ny fanavaozana ny toekarena

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, ny 12 sy 13 febroary teon ny Brio Connect. Mpitan­tana sy tompona orinasa ary mpampiasa vola maherin’ny 100 avy eto an-toerana sy any ivelany no nihaona, nifanakalo hevitra, momba ny fandraharahana, ny haino aman-jery ary ny fiaraha-miasa ara-toekarena.
Natsangan’ny Brio Mada­gascar, iarahana amin’ny Yas Madagascar, Stellarix, Miara­kap ary Piqla, ity hetsika ity. Mikendry ny hamorona sehatra ho an’ny fifandraisana. “Tanjona ny hampiroborobo ny fifanakalozan-kevitra ary ha­nangana fiaraha-miasa ma­haritra”, hoy ny tale jeneraly lefitry ny Brio Connect, Raoelina Mandresy.
Nanasongadina Rasata Rafaravavitafika, minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha sady mpitantana ny “Centre d’études et d’analyse stratégique” ao amin’ny minisitera, ankehitriny, fa “ hetsika entin’ny tanora malagasy, mampifandray ny mpandraharaha eto Madagasikara amin’ireo any ivelany ny Brio Connect.” Nomarihiny fa “toerana stratejika i Madagasikara eo afovoan’i Afrika sy ny ranomasimbe Indianina ary afaka mitana anjara toerana ho tetezana voajanahary eo amin’i Afrika, Azia ary Moyen-Orient”. Nambarany koa fa “iray amin’ny varavarana misokatra ho an’ny tanora ma­lagasy ny Brio Connect ».
Ho an’ny Yas Business, mpanohana lehibe ny hetsika, ilaina ny fifanakalozana maty paika mba hanomezana lanja sy hanolorana vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eny an-kianja.
Nampahafantarina nandritra io roa andro io ihany koa ny gazety Brio, izay mikendry ny ho angon-kevitra ho an’ny mpisehatra ara-toekarena. Tanjon’ ny mpikarakara ny hanamafy ny fifandraisan’ny samy mpandraharaha sy hitarika amin’ny fandrosoana maharitra eto amin’ny firenena.

Henintsoa

Partager sur: